4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rivo-baovao - I S A L O

Moa isika ve adala?

No tsy mba afaka hiala

Amin’ny fitiavan-tena

Izay toetra mahonena

Ka nahoana raha arindra

Sy ovay ny famindra

Ahitan izay ho atao

Dieny izao !



Ny adin-tsaina sy taraina

Efa mila handreraka aina

Noho izany dia ny mamy

No aoka asolo ny tomany. . .

Fa azon-tsika atao

Ny hiova RIVO-BAOVAO

Ka ireo andro izay nanjombon-dava

Dia hisava !



Ka ireo olana nitranga

Ireo lesoka sy banga

Misy tsara ho fenoina

Misy tokony ho adinoina

Koa tsy aleo ve mifanakaiky ?

Izay diso dia mba miaiky

Fa izany no hanatsara

Ny atsy afara !



Ref



Satria sarotra tokoa

Ny mifankahazo am-po

Raha toa ka tsy ny olon-droa

No samy vonona hankato

Ka ny ho avy no atsaraina

Ny adiady tsy ilaina

Samy hanonitra izay vita

Dia ho tafita !



                                  Groupe ISALO

                                 (032 04 17 770)

    

Partager rivo-baovao

Commenter rivo-baovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe I S A L O