4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Revy sa ditra - Spy-D

Rendrarendra ve sa kosa hambo-po

No mahatonga ny tanora hanao an’io

Fa na lahy na vavy tsisy an-kanavaka

Fa toa tsy afaka amin\\’io

Fikasana ratsy ve sa sitra-po

Sa dia manala azy iray ihany moa

Tsy safidy,tsy an tery nefa tsy azo hialana

Toa vokatrin’ny fo

Revy sa ditra

No hiainana isan andro o

Revy sa ditra

Tsy ahitana masoandro o

Revy sa ditra

Raiso ho anao ny safidy o

Anjaranao ny mijery izay mamy sy mangidy

Revy sa ditra

Tsy ahitana masoandro o

Raha iainana isan’andro o

Revy sa ditra

Raiso ho anao ny safidy

Anjaranao ny mijery izay mahasoa anao

Vao maraina eo ianao

Rehefa hody koa ny hariva   mbola eo ianao

N’aiza n’aiza misy ireny

dia mbola mino foana ianao

Ra mbola ditraditra kely

Dia mbola mino foana ianao

Tsy mahalala namana

Na andro alahady na andro fety

Na maraina na hariva Revy mba tsy vetivety

Fa mandeha tsy misy lera

Mitanisa hatramin ny vera

Vita tapany voalohany

Ny sakaiza tsy voaisa

Ny tavoahangy lany tsy voaisa

Ny sasany efa tsy maharay ve

Ny fandeha efa mivembena

Fa revy sa ditra

Tsy haiko intsony

Asakasakao fa tsy haiko intsony

Sitrapon ny tsirairay,sitrapon ny tsirairay

  ref...revy sa ...

Tsapanao mamirifiry

Isan’andro toa mitaintaina

Indray le revy,indray le revy

Vao tsy mahita ireo akama

Efa mila ho lasa adala

Tsisy ireo, tsisy ireo

ref..revy sa ...

Partager revy sa ditra

Commenter revy sa ditra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Spy-D