4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Revintsika roa - Ny Ainga

Any ianao ry olon’iny lasan-davitra

lavitra any ianao,

tsy ho eto intsony anilako,

fa ny alahelo, mamelovelo,

ny lasa izay kinasa, tsy ho voafafa

lasalasa dia asa tia anao,

     Ny alina mazàna,

     tsy tafandry mandry aky

     Ny volana eny ambony

     No manjohy ny any sy aty,

     D’injay ny lasa ny lasantsika,

     manonja sy masika tsy voafafa

       o! tsy voafafa!

fiv; nohon’ny zavatra vita niaraha-nanao ry MALALA,

     nohon’ny zavatra vita niarahananao chèrie ô!(2x)

Nohon-ny zavatra vita e,(2)

Ny zavatra vitan’ny fitiavantsika ry MALALA,

Ny tantarantsika e, tsy nisy nipika,

Ny tantarantsika tsy nisy nipika,

Ahatsiarovana anao ry MALALA,

Fa miantso ny lasa, manembona anao ny tanana e!

Nohon’ny zavatra vita niarahananao ry MALALA è!

       Fa ny fo ilaozan-tiana manirery

       Ny tantara zay niarahana aky MALALA o!

       tsy voakosoka am-po mazana (2)alehako!

       tafaraikitra tokoa lay tsy ambaran’olondroa

       fa mahery ny lasa izay tadidiko

       ao am-po mampiray ny olon-droa!

Lasa any ianao fa ny alokao anilako

misy sombim-piainanao tavela aty amiko,

tsy mba novako ny akanjobako

niraikitra eo ny singam-bolonao,

Tsy voafafa fa singam-piainanao

Tsy voafafa ’lay toerana nandao,

  Ny zavatra vita è!!

Na haditra ary isika roa hitady ny hafa

Ny tantara izay niarahana nanao aky ry MALALA ô!

tsy ho tanty tokoa ’lay tantarantsika roa,

fa mahery ny lasa izay am-poko sy am-ponao

tsy ho vita ny hifandao ou!ou!

Ny zavatra niaraha-nanao MALALA ô!

        

Partager revintsika roa

Commenter revintsika roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite