4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Revinay roa - Ny Ainga

REVINAY ROA

Any ianao ry olon’iny lasan-davitra

Lavitra any ianao tsy hoe eto intsony, anilako

Fa ny alahelo, mamelovelo

Ny lasa izay kinasa tsy ho voafafa

Lasalasa, dia lasa tia ianao



Ny alina mazana tsy tafandrimandry aky

Ny volana eny ambony no manjohy ny any sy aty

D’injany ny lasa, ny lasantsika

Manonja sy masiaka, tsy voafafako



Noho ny zavatra vita niaraha-nanao ry malala!

Noho ny zavatra vita niara-nanao ry cherie o!

Noho ny zavatra vita e! (2) ny zavatra vitan’ny fitiavantsika ry malala

Ny tantarantsika e! tsy nisy nipika

Ny tantarantsika ahatsiarovako anao, malala

Fa miantso ny lasa, manembona anao ny tanàna e

Noho ny zavatra vita niaraha-nanao, ry malala



Fa ny fo ilaozan-tiana manirery

Ny tantara izay niarahana aky,malala o!

Tsy voakosoka ao am-po

N’aiza (2) alehako

Tafaraikitra tokoa ilay tsy ambaran’olon-droa

Fa mahery ny lasa izay tadidio ao am-po

Mampiray ny olon-droa



Lasana ary ianao, fa ny alokao anilako

Misy sombim-piaiananao tavela aty amiko

Tsy mba novako, ny akanjobako

Miraikitra eo, ’lay singam-bolonao



Tsy voafafa fa singam-piainanao

Tsy voafafa ’lay toerana nandao



Noho ny zavatra vita e!......................



Na haditra isiska roa hitady ny hafa

Ny tantara izay niarahana nanao aky, malala a!

Tsy ho tanty tokoa ’lay tantarantsika roa



Fa mahery ny lasa izay am-po sy am-ponao

tsy ho vita ny hifandao



ou ! ou!

Ny zavatra vita niaraha-nanao,malala









NY AINGA

Partager revinay roa

Commenter revinay roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite