4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha fitia - RABL

Raha toa hirahira ny fitia

Aleo hamoron-kira koa

Raha toa ny fitia ka vavaka,

Deraiko ANDRIAMANITRA.



Raha toa ny fitia ka adalana,

Aleoko any am-pigadrana

Ho meloka anoloan’ny fitsarana,

Sazy tsy misy fiafarana.



Raha fitia no enti-mitia

Dia azonao tiavina aho

Tiavo aho mandrakizay

Amin’ny fo saina fanahy



Raha sitrakao tiavo aho

Mandritra ny androm-piainanao

Tiavo aho hatrany ankoatra,

Ny fontsika hiaraka hivoatra



Zay ela indrindra azo atao,

Hisakaizan-tsika sy ianao.

Fa raha fitia ny fitia

Dia azonao tiavina aho

  

Raha toa ny hanambadiana,

Tsisy afa tsy hiterahana,

Satriko izy hitovy aminao,

Hitovy amiko ihany koa.



Raha toa ny fitia ka toy ny ady,

Hiezaka aho amin-dry zalahy,

Ho babo sy voafatotra;



Raha fitia no enti-mitia

Dia azonao tiavina aho

Tiavo aho mandrakizay,

Amin’ny fo saina fanahy,



Raha sitrakao tiavo aho,

Mandritry ny androm-piainanao.

Tiavo aho hatrany ankoatra

Ny fontsika hiaraka hivoatra



Izay ela indindra azo atao

Hisakaizan-tsika sy ianao

Fa raha ny fitia no enti-mitia

Dia azonao tiavina aho.



Tiavo aho mandrakizay

@ fo saina fanahy

raha sitrakao tiavo aho

mandritry ny androm-piaiananao



Tiavo aho hatrany ankoatra

Ny fontsika hiaraka hivoatra

Izay ela indindra azo atao

Hisakaizan-tsika sy ianao



Fa raha fitia ny fitia

Dia azonao tiavina

Partager raha fitia

Commenter raha fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RABL