4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Radio - Iraimbilanja

Sendra reko anikeo

Tao anatin’ny onja-peo

Lay hiranao

Hira mitalao

Tsy haiko aloha zay loha-teniny

Fa ny tsaroko dia ny feony

Mampatsiahy indray

Izay lasa izay



Somary gaga ihany aho raha nandre

Satria taona maro izy izay tsy mba nandeha



Nakariko mafy ny radio

Nanjary nisioka aho nony avy eo

Narahina dihy

Nanembona andry

Variana loatra aho nilalao

Tonga ny ora filazam-baovaovao

Dia tapaka hatreo

Ilay hira teo



Somary gaga...



Fahatsiarovana no mitoetra

Tantara izay vita rehetra

Tehirizin’ny onja-peo

Sanatria tsy hankaleo

Mino aho fa any lavitra any

Misy sento mitomany

Malahelo ao ampo

Mahatsiahy ny taloha

Partager radio

Commenter radio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite