4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rabe - Mahaleo



Vao tonga ny maraina

Dia iny izy eny

Nefa toa malaindaina

Ilay mpirenireny



Ny ankanjony moa

Mitampotampona ihany

Palitao sy pataloha

Efa ela teto an-tany



Tsy rotitra akory RABE

Mibaby ny gitarany

Eny an-dalambe

No hifohany ilay sigara,sigarabe-any



Dia iny indray izy

Toa tola dia tola

Mahatsiaro ny fahiny

fony be vola



Ny gitara irery izao

No hany fitadiavam-bola

Ary ny feony mitalaho

No fatoriam-pitia sisa



DAMA

Partager rabe

Commenter rabe

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite