4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho an'i neny - Poopy

Raha ny tebitebiko,sy amin'ny ho avin'ireo zanako
No nosedrainao koa tamin'andronao taloha
Dia rariny raha tiko ianao

Raha ny fifaliako,ny amin'ny fitositosiny
No fahasambaranao koa tamin'andronao taloha
Dia rariny raha tiko ianao

REF:zao lehibe izao
miaina izay niainanao
vao tena tsapa ilay fitiavanao
ka tafatoetra ao am-poko ao
fa rariny raha tiko(2) ianao

Raha toy ny jaliko,rehefa marary izy indraindray
No fahorianao koa tamin'andronao taloha
Dia rariny raha tiko ianao

Raha ny fahatezerako,rehafa misy ditraditra izay
No efa niainanao koa,tamin'andronao taloha
Dia rariny raha tiko ianao

REF:..........(misedra)

Raha toy ny fanahiako
Raha manotany tena aho indraindray
Ho tiany foana ve,rahatrizay izy lehibe
Dia matokia fa tiko ianao

REF:...............

Partager ho an'i neny

Commenter ho an'i neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite