4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Paradisa - LUDGER Andrianjaka

Any ankoatr’ity fiainana ity

Dia misy toerana hafa koa

Tsy hita maso io toerana io

Kanefa inoana fa ao tokoa



Fa antenaina hiafarana

Ao koa no hifankahitana

Amin’ireo havana nafoy

Nandao tsy satry nefa tsy foy



Miserana ihany

Ny eto an-tany

Indray andro any

No hiafarany



Amin’izay fotoana izay

Ho rava ny trano lay

Kanefa ny fanahy

Te-hody ts’isy ahiahy



Any amin’ny Ray

Mandrakizay

Fiadanana sisa

Any am-paradisa



No antenaina

Fa ho tsaraina

Amin’ireo tiana

Namela fahoriana



F’efa voavoatra

Ny fiainana any ankoatra......

Partager paradisa

Commenter paradisa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LUDGER Andrianjaka