4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aoka - Ny Aleloia Anosisoa

Aoka mba ho tsara izao ny famindranao

Fa malama maina ity lalana aleha ity

Ny hintsinao araho fa aza mba mivily re

Fa sao solafaka vao hianjera ery ambany ery



Tanjonay ny ho aminao ry Ray

Hiara-hipetraka aminao izahay

Hafanana soa tsy misy hirifiry

Fiadanam-be ô ô ô

Fifaliana lalandava ka

Dia ho mirana ny tava fa tsy

Tsy misy hampanahy

Eo akaikinao no mahatsara ahy



Aoka ho iray ny fo ary ny fanahy

Fa isika rehetra rehetra izao

Samy hitomban-dahy

Ka ho iray ny dia, hanao dia rodobe

Hihazo lalan-tsara ho amin’ny fiainam-baovao

Partager aoka

Commenter aoka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Aleloia Anosisoa