4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sipako taloha - Ny Ainga

1-Tomany aho omaly hariva nahatsiaro anao

  Ianao ilay olo-malalako tsy lasa vadiko

  Nifanenna tampoka isika teo Antaninarenina,

  Ianao ilay nitantana zaza, ilay sombin’aintsika roa:

  Ilany kelin’ny fiainako...



2-Io ilay sombin’ny aina tsy mba nampoizina

  Nisento marary ny anatiko nibanjina azy

  Endrey ’zany maso sy ny orony retsy dia ahy navela

  Ianao ilay nitantana an’azy, fikiriny mafy tokoa

  Io ilay revintsika roa.



    Dia indro tsaroako miverina am-poko ny tantarantsika

    Grandy Vakansin’ny volana Août ’lay tany Toamasina e!

    Lasam-binany aho e,... Dimy taona izany!

    Ianao aza angamba mitsiky mahatsiaro ny fiarahana iny:

    Ny chambre sy ny plazy

    Ny hôtely sy ny soupe chinoise

    Mozika nitositosiana,

    Dia tranofalafa mangina

    Ô! fiainana,

    Fiainana dia sombinaina nipetraka.



       Tsy maty am-poko eny aky ny lasa

       Malala ô! manonjanonja e...

       SIPAKO TALOHA ... Tsy lasa vadiko!



3-Mbola eny ihany ilay tsikinao toa menamenatra

  Ianao koa somary nihena  fa mafy ny fiainana

  Izaho any am-piasana aky tsy mandry, miasa loha,

  Raha misy izay andefimandry, hafenina ve ny taloha?

  Tantara miafina...



    Sendra nadalo ny tranonareo aho omaly hariva

    Dia tazako mazava jiro tokoa ’lay efitra avaratra...

    Lasam-binany aho e... Nanjohy mangina ny diako,

    Ianao angamba efa mandry, mandrotsirotsy ilay zaza

    ’Lay zaza mibada mangina,

    Mangina toa varivariana

    Mipitra mahafatifaty

    Tsy anilan’ny rainy sahady

    O! zanako...

    Zanaka tokan’ny revim-pitiavako...



Mpamorona:(Om-Gui)

  

Partager sipako taloha

Commenter sipako taloha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite