4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbà tonga saina... - Misionera

Ny fiainana an-tany dia feno tsiky sy tomany,
Anajaranao no misafidy fa ny eto dia izany ihany,
Eo anelanelany,tsy hahita akory izay hitombenana
Raha hirona iany,fadio ny tomany:

Amin'ny fomba ahoana nefa? ny mifaly toa tsy hefa.
Tsy ho fantatrao ny anio,ka ny tahotrao ario
Aza avela hanjakazaka ilay fiteny hoe tsy zaka,
Ny tononkira tena tsara dia ny filazantsara.

Efa namonjy anao Jesosy Kristy,amin'ity ora ity,
Ekeo dieny zao ny fahotanao
Meteza ianao hiala amin'ireo karazam-pahoitàna
Fa Jesosy irery ihany no Mpanala ny tomany.
MIBEBAHA...

Partager mbà tonga saina...

Commenter mbà tonga saina...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Misionera