4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anilanao - Mik ft Mih

1- Vao nifanenena isika roa,
Dia feno hamamiana ny tontolo,
To vita daholo izay rehetra niriana, nahita ny soa.
Niara-dàlana tsy nifankafoy,
Resy avokoa ny ratsy izay teo aloha,
Fitia tsy mba lafatra, kanefa mafy orina.

Fiv :
Ny tsikinao, dia efa ilay nambabo ahy hatramin’izay.
Ny feonao, miteny malefaka ny anarako.
Mandrakizay, ho eo foana aho
Raha mbola mitempo ny fo, anatiko ao.
Ho lamban’akoha, ilay fitiavana
Ary ho koloiko mba tsy halazo na ho levona
« Ho eo anilanao foana aho ».

2- Fa iza moa no mba hany hitaranaiko,
Fony sarotra ny fiainako taloha,
Ianao tonga nampitraka ahy, ahita ny soa.
Hiara-dàlana tsy hifankafohy,
Na ho tsara na ho ratsy dia ho eo foana,
Hifampitantana, hiary ny ho avy mamiratra.

Fiv :
Ny tsikinao, dia efa ilay nambabo ahy hatramin’izay.
Ny feonao, miteny malefaka ny anarako.
Mandrakizay, ho eo foana aho
Raha mbola mitempo ny fo, anatiko ao.
Ho lamban’akoha, ilay fitiavana
Ary ho koloiko mba tsy halazo na ho levona
« Ho eo anilanao foana aho ».

A/C: Jerry Rafs

Partager anilanao

Commenter anilanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mik ft Mih