4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faniriako hatrizay - Meizah

impiry moa izaho no mandalo eo akaikinareo

miondrikondrika dia mody mihodina avy eo

mangalatra mijery fa tsy te-hiseho

matahotra ny hijanona nefa izaho isan’andro mandalo eo



voahara-maso daholo izay ataonareo roa

miseho tsy taitra, miherikerika etsy sy eroa

ny foko anefa feno efa te-haheno

izay mba ho antsonao na dia arahaba ihany aloha



Hatrizay aho nitia mangina

Te-hanambara ilay faniriana,

Tsy haiko anefa hoe rahoviana e.



Ref:

F’Izay ilay faniriako hatrizay e

hanome ilay hafatra iray e

fa ny hilaza izany tsy hay e

Ka aleo ho ahy mandrakizay e



f’izay ilay faniriako hatrizaaaaay

te-hizara ilay teny iray e

Fa ny hilaza izany tsy hay e

Ka aleo ho ahy mandrakizay e

Izay ilay faniriako hatrizay e



Tsy sasatra aho mitady, miova loko vaovao

fa te-hahita anao no sady te-ho hitanao

Ilay topi-maso kely, maso te-hijery

tsy tazanao, tsy tsapanao akory ny fisiako hatramzao



Maniry foana hatrany mba ho eo akaikinao

Te-hiteny mafy f’izy anie tsy tia anao

Tsy tazanao akory ny ao ambadika ao

F’izy tsy mila anao, hilalao anao no tiany atao



Hatrizay aho nitia mangina

Te-hanambara ilay faniriana

Tsy haiko anefa hoe rahoviana e.

Ref:

F’Izay ilay faniriako hatrizay e

hanome ilay hafatra iray e

fa ny hilaza izany tsy hay e

Ka aleo ho ahy mandrakizay e



f’izay ilay faniriako hatrizay

te-hizara ilay teny iray e

Fa ny hilaza izany tsy hay e

Ka aleo ho ahy mandrakizay e

Izay ilay faniriako hatrizay e

Partager faniriako hatrizay

Commenter faniriako hatrizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Meizah