4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Taratasy farany - Mage 4

Mangina hatramin\'izao
Irery ilay fitia
Adinonao sahady ny taloa
Niandry ihany aho sao
Handray avy aminao
Ttaratasy iray hampionona ahy

lavitra mampisy ny olana ho antsika
Asa raha mahatsiaro ahy ianao
Niaritra ny hatsiaka sy ny orana nikija
Ny embona no tsy mahasaraka ahy
Ny eritreritro mandà
Ny ao am-poko toa tsy sahy
Tsy te hisaina ny hoe voafitaka aho

Matoa aho mankatia
Tsy handositra fitia
Fa anomana ho anao ny fiainana
Raha toa ianao minia
Tsy hamaly intsony koa
Ity taratasy farany ity

Miandry ny ho ela hoy aho
Toa aritro eny ihany
Manina tsy tia no mampijaly
Ny ankany izay homaniko
Raha toa tsy andrinao
Dia mahita ny mendrika ianao
Hanova indray ny ampitsoko aho
Hiaina lavitra anao
Hanandrana aho raha izay no sitrakao


MAGE4






Partager taratasy farany

Commenter taratasy farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite