4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpinamana mandrakizay - Rojovola

fiarahana tsy misy toy izany
sangisangy tambitamby nisy tsiky sy tomany
iray vatsy, iray aina
toa mpiraitampo nampitovy saina
malaina hisaraka,mandiva ny hariva
toa vary sy rano saingy tsy iray trano
ny adiady kely,niserana ihany
fa voamaika namafy lay finamanana izany
Ref:nandeha ny fotoana,
nandroso koa ny taona
sompatra ilay fitadiavana
nampizara roa ny lalana
nandeha ny fotoana
nandroso koa ny taona
sompatra ilay fitadiavana
anton'ilay fisarahana
voatery aho andeha ianao tafajanona any
ny alahelo mandalo indraindray mampitomany
fa ny ao ampotsika efa nifanaiky
ho mpinamana hatrany na lavitra na akaiky
Ref:..................................
any andro any volana any taona
hisy foana ny fotoana
zao sy anao mbola hihaona
zao mino ianao tsy hanadino
ireo heritreritra niarahana
ireo vazivazy nifankazarana
ho averintsika rahatrizay
mpinamana mandrakizay

Partager mpinamana mandrakizay

Commenter mpinamana mandrakizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rojovola