4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpinamana - Sitraka

Toa tsy aiko ambara
Ny adin-tsaina ato an-doho
Ny eritreritro mandrahara
Tsy hitia an-tsokosoko
Efa mandreraka ny tena
Raha izany manjo
Satria fitia tsy hay tefena
Mba ho an’olon-droa

Ref
mpinamana tsotra izao
Mba tsy hananako tsiny aminao
Na mafy aza hozakaina
Raha izany no ilaina


Raha mba tsapanao rahavana
Ny adin-tsaina ato an-doho
De ny amin’ilay fitiavana
Efa lasan’ny teo aloha oo

Ny hany azoko atao
Mba tsy ho very ny fiarahana
Handeha re izaho sy ianao
Dia horay ho mpinamana


Ref
mpinamana tsotra izao
Mba tsy hananako tsiny aminao
Na mafy aza hozakaina
Raha izany no ilaina

Partager mpinamana

Commenter mpinamana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sitraka