4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antso maika - LY ANDRIAMAMY

                    ANTSO  MAIKA



Indro  tonga  ho antsika  izay mbola velon’ aina

Mbola  tojo ny soa, na ny tsy manana  antenaina

Izao  antso izao efa voalazan’ ny teny

Sy  natolotra  anao, isika  dia  samy nomeny

     Miomana  avokoa, antomotra ny andro  farany

     Indro ilay Jeso  soa, aoka isika hiantso ny anarany

     Atolory ny fo, avelao ireo fahotana

     F’ izay mino tsy ho lo, ireo lotony dia ho sasàna

Antso  maika izany, ho  ren’ ny tontolo

Antso ho ren’ ny tany, mba  hiova daholo

Sy mba  hampanekena, mba handraisana fitia

Antso, ho  famonjena, hiadanana  ho doria.





           T.D.R   Groupe  Artistique  LY   ANDRIAMAMY

Partager antso maika

Commenter antso maika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LY ANDRIAMAMY