4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hono ho aho? - Lolo sy ny tariny

Hono ho aho an'iza ho aho?
Ireto Automobile @ faran'ny herinandro
Hono ho aho an'iza ho aho?
Manaitra ny tambanivohitra

   Mitrena ka mitrena
   Mitrena mirifatra mianavaratra any
   Mitrena ka mitrena
   Mihazo ny làlana atsimo

Mitrena ka mitrena
Mitrena mirifatra miatsinanana any
Mitrena ka mitrena
Ny andrefana koa tsy adino


   Hono ho aho an'iza ho aho?
   Ireto elo be miloko maromaro
   Hono ho aho an'iza ho aho?
   Manaloka tambanivohitra

Mena!mena!mena!
Mena valala toa tara-masoandro
Mena!mena!mena!
Manimba ny mason'ny aty


   Hono ho aho fa iza ho aho?
   Ireto ankizivavy miakanjo hasy manga
   Hono ho aho fa iza ho aho?
   Mangarika tambanivohitra

Mirevy ka mirevy
Mirevirevy foana eny an-dohasaha eny
Mirevy ka mirevy
Maharikoriko ny aty


   Hono ho aho an' iza ho aho?
   Ireto Automobile @ faran'ny herinandro
   Hono ho aho an'iza ho aho?
   Manaitra ny tambanivohitra

Hono ho aho an'iza ho aho?
Ireto elo be miloko maromaro
Hono ho aho an'iza ho aho?
Manaloka tambanivohitra

   Hono ho aho fa iza ho aho?
   Ireto ankizy vavy miakanjo hasy manga
   Hono ho aho fa iza ho aho?
   Mangarika tambanivohitra

Partager hono ho aho?

Commenter hono ho aho?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite