4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ranomason'ankizy - Lalatiana

Fony aho mbola ankizy tsaroako tsara ny toetrako
Fa isaky ny bedy aho, manganohano ny masoko
Indraindray aho miady kely any am-pilalaovana
Ny ranomasoko ny ahy no hany fiarovana

Angamba tsy izaho ihany no niaina izany
Fa na izaho na ianareo samy nandalo teo
Lalam-piainana
Angamba tsy izaho ihany no niaina izany

Ankehitriny, fanaoko ihany ny toy izany
Rehefa sendra ditsoka aho, tsy maintsy mitomany
Fa tsy eny am-pilalaovana no tena be ny olana
Ny ranomasoko ny ahy vokatry ny fitiavako

Angamba tsy izaho ihany no niaina izany
Fa na izaho na ianareo samy nandalo teo
Lalam-piainana
Angamba tsy izaho ihany no niaina izany


Partager ranomason'ankizy

Commenter ranomason'ankizy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite