4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lavitra anao - Hanitra Ranaivo

Lavitra anao anie aho ry tiana

Ka nofy sisa no iarahako,

No ahafahako mahita anao

Satria ianao voafehin’ny fiainana

Ka tsy navelany hiaina fitia

Satria ankizy hoy izy



(in-2)

Nefa izaho sy ianao tsy mahandry taona maro

Fa nigoka mamy toa tantely



Avelao hialona ireo namana

Avelao ho tezitra ireo havana



Na lavitra anefa tsy mampaninona ahy

Satria ny fitia no nahatonga, no nanova izany

Tsy hisy na rindrina na setra na sampona

Hanohitra ny diany

Anilanao, akaikinao irery



(in-2)

Ka hibitsika hoa anao ny fitiavako anao

Ka hampietsi-po anao irery



Koa miventsoa toy izany

Dia ho eo anilanao ilay tianao




Partager lavitra anao

Commenter lavitra anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hanitra Ranaivo