4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kivarivary - Levelo

Variana variana ery e! ny ankizy etsy an-tokotany

Manangona vovoka anaty kapoaka hilalao kivarivary

Tanisatanisa indray e! Na mampiady karajia e!

Manoko fanorona vato ara-dimy doboka aponga tany



Nahilikilika ny maloto ô !(2)

Tahon’atsoro natao borosy e!(2)

Fa nahoana ho’aho e!

Efa nahazatra ny mpianakavy

Ny andro tsy hiasana hialana voly e!

Hitan’ny ankizy ka mba nataony e!

Daka diamanga mamelon-jafy e!

Votom-piafiana toa tena izy e!

Mikiry mitady mba manantena



Dia tao ireo somebiseby e!

Namahy ilay oronan-tsihy e!

Ny akalan-jareo moa dia vato kilônjo

natao faribolana io

Tsy nisy hono ny bakoly e!

Na dinety avy any am-pita e!

Fa ravin’ambiaty no solon-dovian’ny zanaky ny be lamba



Ketrika nongo tsy doran’afo ô!(2)

Eo am-piandrasana samy revo an!(2)

Tena marina io e!

Zavatra hiainana an-davanandro

Tsisy tsy vitany an-kilalao e!

Kivadivady aza moa nataony e!

Partager kivarivary

Commenter kivarivary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Levelo