4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kinanjo - Abel Ratsimba

Tsaroako iny volonandro iny

Nitadiavako anao teny ho eny

Nanantena aho fa hifanena isika

Kinanjo kinanjoianaotsyteny



Ny aloka rehetra niserana

Noheveriko ho ianao avokoa

Niriotra hanaraka ireny

Kinanjo mbola tsy ianao ihany



Hatreo dia ny vetsoko sisa

No nalefako mba hiampita

Kinanjo tsy nampoiziko indrindra

Ianao noteo anoloako



Toa nanonofy aho

Eny toa very saina koa

Kinanjo injay henoko ilay feonao

Izay vao tsapako fa tsy nofy ny hasambarako



ref.. hatreo ...

Partager kinanjo

Commenter kinanjo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Abel Ratsimba