4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kay lé an ah! - Dahop

Efa lehibe ny tena ka tsy maintsy mandray andraikitra

Tsy dia hita intsony f’efa tena raikitra

Am’fitadiavana tsy manam-petra sy ny sisa

Efa voatsodrano mba tsy hoirin’olona mba tsy hitsetsetra

Isaky ny faran’ny herinandro sisa vao mba tafahaona

Mifampi-"tel" mametraka fotoana

Mifanontany vaovao, mifampizara hevitra

Testamenta vaovao, Fanantenana rezika

Tano ny azo raha mahasoa fa sarotra ny mila

Aza avela hisy hisompatra aza avela ho dila

Miadiva mafy dia tano ny hevitrao raha toa anjara

Sakaizan’ny mpandresy tsy matahotra ho voarara

Oay! lelika eh! ’lay mbô safidy ndray no ferana

Andriamanitra tsy manampy ’zay tsy manampy ny tenany

Vahaolana mahomby io ho anao ’zay te-ho tafita

Vonjeo fa miandry anao ’lay masoandro mibalika



Minday fanantenana indray ny kofy sy ny kala aaa ( kay le an ah)

Avia ’zay te-hatsaka

Matsaka hetsika eroa, matsaka hetsika etsy

Hatrany am-pita ka mila antony mpanov’azy fetsifetsy



Folo taona be izao tsy ’ndeha ho ariko am’zao

Tsy ampy an’ahy tsy maintsy mbola ampiko am’zao

Dia ’zay tiako no ataoko am’zao fa ’zao

Manovanova kely teknika am’zao



Na ho ataoko isan’andro ...eeeeaa.

Efa kobon’ny mpanandro...

Nandihy tany namela diany e....

Deep South style izao no fiany e....

Fa minday fanantenana indray ny kofy sy ny kala aaa



Ref:



Tsy dia kobo firy ’tsony matetika maimaika

Efa ataon’ny fitadiavana mikaikaika dia miantso

Kay le an ah!

Mamita adidy manaraka testamenta

Nefa tsy maintsy kobo foana rehefa hi-testa "mic" ah hey yo

Milay le an ah!



Mihazakazaka ’lay kofa tsy mitohana

Ny hasambarana tsy mipoitra raha tsy mivoaka ny hatsembohana

Raha asa ray tsy hahavelona am’zao fiainana ’zao

Aleo mitady zavatra tsy be mpanao oh

Hanondrana ny harena an-kibon’ny tany...efa be mpanao

Mitetitetika ny hanongam-panjakana...efa be mpanao

Hanondrana rongony ara-dalana...efa be mpanao

Raha tsisy debadeba efa tompony d’efa be mpanao

Tsy maintsy hanondrana "rap d’or"

Fanantenana no pasipaoro

Ndray andro any (2)

Tsy maintsy ho sambatra e (2)



Yo, ahitsiko ho an’ny kil’ toa tsy rotitra handevona tahotra izy ho tototra

Tsipaho io ondana io de ndeha simokitra

Mandalo ’lay fotoana yo andrekaky e (kay le an ah..)

’Ty taolako lesy mitrakitraky e

Tsy tana izy namela diany tanjony hampikaikaika

Tsy kobony nefa amin’io ’lay hovalahy kitihiny

kimbiany ah raha mihoatra am’saingy tsy ho skil’

’Lay hery anatiko ao tsy lany pile

Mbola ankidasy ny an’ny sasany fa ny ahy ny maic sy ny asa efa vozozy

Ombam-panahy sy paika tsy tena ngoza

Voasarika hanaraka tsy satry tarehi-marika mba tsy hisondrovaka

Ho asitrika etsy ny lobaka huh!



Ref



Mama manakiana, papa manome kozy maneso

Mbô kôzy!... elah tsy any a L.A. k’hitovy am’2Pac huh

HH no fahazazana

...no ambeti-teniny mazàna

Ny kakato koa etsy an-daniny, ny pasin’ireo tsy hovany

Mandrakizay doria amen mendrika azy koa izany ry tsamy

Fa hoay lé... Toe-tsaina lomorona, tsara ho fongorina

Izy sy ny forongony am’tany hitotototona

Fa ny ahy, tsy maintsy ho tratrako ny tanjona

...ho alavirin ireo ratsy sy ireo sampona

Adala ve aho raha hilaza fa ny HH no hahavita am’fiainana

Mila fotsiny fivelaran ny foto-pisainana

Fanajana be dia be ho an’ireo mpiondana Ay

Zay tsy handiso fanantenana an’ny mpakafy "Deep South Style"

F’ho rotsirotsiko am’valiha sy ny lokanga

Ny tongony hataoko misôty yo, ny masony tsy maintsy ho ranga ya.



Ref

Partager kay lé an ah!

Commenter kay lé an ah!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dahop