4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kapa kiranyl - Lapé

Raha nieritreritra ny fiainako taloha aho

Tamin’izany fotoana izany mbola mpianatra aho

Tsy mba anisan’ireny mpilay bozy ireny

Ka tsy mba nana-namana fa nandeha irery



F’izaho ilay bandy kely tsotsotra nanao kapa kiranyl

Nandeha an-tongotra rehefa nianatra fa tsy amina automobil a a a a

Somary menamenatra rehefa mahita sipa manja kely

Fa matahotra ny ho voarora ka aleo tsy miteny



Nony taty aoriana kosa noho izany rehetra izany

Tafita tamin’ny fiainako aho fa tsy olona ambany

Ireo niavonavona taloha nanjary nanontany

Fa inona kay ny asanao no niova aoka izany

Partager kapa kiranyl

Commenter kapa kiranyl

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lapé