4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kala nesy - Tselonina

Etsy ambaninay,no mitoetr’I Nesy,ikala Nesy,sakaiza hatrizay

Matsaka miloloa siny

No mihira I Nesy,ny hiran’ny Nesy

Hira gasy fa tsy hira vahiny



Raha avy iny oran’iny

Tsy hanakan’ahy hitsinjo

Hitsinjo an’ kala Nesy

Sady mialoka anaty sarety



Mitsetsitra kilarinety

Eny amboniny bisikilety

Nenjehiko tamy-borety

Tratra ianao kala Nesy





Etsy ambaninay,no mitoetr’i Nesy,ikala Nesy,sakaiza hatrizay

Matsaka miloloa siny

No mihira I Nesy,ny hiran’ny Nesy

Hira gasy fa tsy hira vahiny



Ny endriny sariadriaka

Tiako ho atao clip

Ny “R” nay marokoroko

nindramina tamin-dry Bodo



na an-tsaha ,na an’ala-taretra

na maharitra na vetivety

fahotana nataonay sy Nesy

afaka tami-kaofesy



Etsy ambaninay,no mitoetr’i Nesy,ikala Nesy,sakaiza hatrizay

Matsaka miloloa siny

No mihira i Nesy,ny hiran’ny Nesy

Hira gasy fa tsy hira vahiny



Natao scanner ilay foko

Notarafina ny ao anaty

Cancer-pitia no mamely

Tsy maninnona raha ahafaty

Homamiandam-pitia  no mamely

Tsy maninona raha ahafaty



Soratsoratra ny ami-pôto

Na ny rindrina, na ny betô

Soratan-jareo saribao

Izaho egale ianao

Soratan-jareo la craie

Nesy egale Tsé……….

Partager kala nesy

Commenter kala nesy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina