4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kabary - HERY J.

KABARY



E e e, ô ô ô

Miala tsiny miala fondro ô

Miala salohy fito ô

Miala satroka aminao ô

Raha hisoka-bava e



Miala tsiny e , miala fondro

Tsy mba zokiny aho fa zandry kely e

Tsy natao hiteny e

Ka sadaikadaikatra anatrehanareo raiamandreny ô



Raiamandreny ô

Aza avela hanjeny e

Tsy mahavita tena, tsy mpanankarena,

Ka hihenahena e

Tsy fisainan-tery, tsy hiseho mahery,

Ka hiavon-drery ô



Fa ny ankasomparana mora tonga handrava hefa e  

Ny anjara masoandro aza rehefa hariva mirefarefa e

Ka ny vetsovetso sy tora-po no tsy maintsy alefa e



Miarahaba e,

Ho to ny soa e

Tsy harofy tena amam-panahy e

Zanahary hitsinjo ô

Samy hambinim-bola aman-karena

Hanasoa ity firenena e



Zao ‘sika izao ô

Tsy hiraorao e

Tsy mahery hobiana tsy resy hakoraina

Miara-milalao ô

Ny firaisan-kina no hery nolovaina

Ka dia tantarao e



Loharano tokana nisehoana sy nihaviana e

Ny fifankatiavana nimasoana dia mananjina e

Koa mahaleova tsara, mahalasana,

Ho tojo izay irina e

Partager kabary

Commenter kabary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HERY J.