4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy roa kely - Kiaka

Nifankahita indray izy roa kely
Mpifankatia efa hatry ny ela
Ny maso fotsiny no mifampijery
Ny tena koa angamba irery

Fa toa hitako teo, toa angamba ianao
Fa toa hitako teo,
Te-hiteny zavatra ny molotrao

Mbola tia angamba
Matoa izy sahy manao izany
« Nefa mino aho fa mbola mila ahy ianao »
Mbola tia angamba
Matoa izy sahy manao izany
« Teny iray ihany hoy aho,
dia ho ampy ho ahy sy ho anao »

Mibaliaka indray ny androntsika
Ka mety daholo izay rehetra atao
S’izay mety ho sitram-potsika
Na ny tiako na ny tianao

KIAKA

Partager izy roa kely

Commenter izy roa kely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kiaka

Suite