4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy nisaona - AINA COOK

Lasa ianao, lasa lavitra any
Nandao ny tany, ilay feno tomany
Izy irery no tavela, tsy afaka nitafa ela
Tsy afa-nanoatra fa tsy maintsy nifandao
Lasa ianao, nanalavi-tiana
Dia ilay fiainan-tsy hita, tsisy fahoriana
Izy teo nangahiahy, lahatra tsy afa-nanda
Raha ny tiany, fifaliany
No tazominy eo anilany eo
Tsy maintsy nekeny, tsy fidiny
CHORUS
Lasa ianao, tsy nifidy ny handao
Fa voaantso amin'ilay fiainam-baovao
Lasa ianao tsy afa-nampilaza
Izy tavela nitomany toa zaza
Lasa ianao, tsy nifidy ny handao
fa voaantso amin'ilay fiainam-baovao
Fa lasa ianao, izy nisaona
manantena anefa
indray andro ianareo mbola hihaona
Ny ranomasony tsy voatana,
Ny momba anao tsy hainy ho fafana
Ny sainy tsy tony satria ianao tsy eto intsony
efa nialoha lalana
fotoana fohy no niarahana
Tampoka loatra ny fisarahana
Izy mino mitanisa fa hoe misy ilay paradisa
Raha ny tiany, fifaliana
no tazominy eo anilany eo
tsy maintsy nekeny, tsy fidiny
CHORUS

Partager izy nisaona

Commenter izy nisaona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AINA COOK