4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy mianaka - Remi

Efa lehibe ianao izao

Efa tonga taona ka ahoana lazao

Tsy mety ve raha mitady namana

Mba hanan-taranaka, ianao anaka

Sady izahay fantatrao tsara

Fa efa osa ka sao tonga ny anjara

Ka tsy hahita izay ho vinanto

Izay inoana fa ho kanto, fa kanto.



Izaho tsy mbola nisaintsaina

Ny marina dia mbola malaina

Avelao aho aloha ho mpitovo

Higoka ny fiainan-jatovo

Fa araka aoriana kely

Hampakatra madimôzely

Izay tena tsara indrindra

Tsara rafitra sy tena narindra indrindra



Iza ity madimôzely

Mba halain’ialahy mba tandremo kely

Sao hanala baraka anay

Sao koa dia vazaha, tandremo lahy

Izahay anie letsy leiroa

Raha milaza izany mba nisaina koa

Ilay tsara sy tena bikana

Izay eto an-tanàna, an-tanàna



Izaho aloha tsy mbola nahita

Izay mendrika tsy tsara indrindra

Raha ny zazavavy eto an-tanàna

Tsy azoko hiraparapana

Ka izao re ry dada no izy

Avelao aloha aho hisafidy

Izay mba andrianin’ny foko

Izay inoako fa tsy hitondra toloko



Ialahy ve mivatik’atidoha

Tsy mahalala ny soa izay vitanay

Ka sahy mamalivaly ve

Sa efa lehibe, lehibe

Aiza ve ka lazain’ialahy

Fa tsy misy tsara eto an-tanàna

Nefa betsaka eto no igagana

Ny an’ialahy fanalikana



Izaho anie tsy mandà izany

Malama maina anie ny tany

Avelao aloha aho haka saina

Ny valiny rahampitso maraina

Izay hevitra tapako avy eo

Aoka anie tsy horaisinareo

Ho teny famingavingana

Na koa faniratsirana anareo



Efa lehibe ianao izao

Efa tonga taona ka ahoana lazao

Tsy mety ve raha mitady namana

Mba hanan-taranaka ianao

Lazao.

Partager izy mianaka

Commenter izy mianaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Remi