4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izao lazaina azy - TARIKA TSIMOKA

Inona no mbola mahamay azy ny amiko?

Sa ve mbola tsy ampy ireo nataony tamiko?

Efa tsisy intsony, ifanoizako aminy,

Tapaka fa tsisy maminy.



Izao lazaina azy eh, raha mbola anontaniany

Mihevera tena hoe, f'ianao efa tsy tiany

Matoa tsy valiany o, taratasy mifanesy

Tokony ho tsapany fa diso adiresy



Ataony inona ary indray izay momba ahy?

Sa mavesatra aminy ny enjiky ny tsiahy?

Tsy adalana akory ny nanaovako ny tsara

Raha manenina izy efa tara



Izao lazaina azy eh, raha mbola anontaniany

Mihevera tena hoe, f'ianao efa tsy tiany

Matoa tsy valiany o, taratasy mifanesy

Tokony ho tsapany fa diso adiresy



Izao anampy izay ary, mbola tadiaviny

Manaja be azy hono eh, ilay vao notiaviny

Aza mandrera-tena o, manezaka taraina

Raha izy no antenaina dia ny bozaka isaina

Partager izao lazaina azy

Commenter izao lazaina azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TARIKA TSIMOKA