4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikala jeannine - Ny Ainga

Miala any Ikala Jeannine

Dia nandray ligne

Nomena frais

Avy any Ambatolampy any ô

Hiakatra any Iarivo



Nafaran’izy handeha

Dia nomena frais

Hatao mpiasa be

Handeha hanompo madama

Hitady karama

Any an-tanan-dehibe

Hanompo madama, madaman-dramose



Hanompo madama, madaman-dramose



Dia iny Ikala Jeannine, tsy mahay n’inon’inona, Kilasy T2

Voatery niala sekoly ô, hanampy hitady vola

Dia lasa izy nandeha, nomena frais

Hatao mpiasa be

Handeha hanompo madama, hitady karama

Any an-tanan-dehibe

Hanompo madama, Madaman-dramose



Hanompo madama, Madaman-dramose



O o o o barampapam Aia ai aia e

O o o o shalalala

Aia ai aia



Dia io fa lasa vinany, any an-tanana any,

Ikala Jeannine a

Miborosy trano tsy an-tena, fa ny azy trano bongo

Mahandro laoka ny aty, fa mandry fotsy ny any

O o o o

Ikala Jeannine, mahazo hoatrinona

Ikala Jeannine, malahelo ny any ambanivohitra any ô

Ikala Jeannine (Ikala Jeannine), tsy an’inn tsy an’inn

Ikala Jeannine, mahereza akia

Ikala Jeannine, izao no fiainana aty



Dia iny ikala Jeannine, ny ankizy vimbinina

Hanao abidia

Aterin’ alaina hariva ê, ny zanaky ny ambony

Tsy avela ho tara sakafo fa vidina lafo

Ny daroka be

Fa an‘ireo zanak’i neny, toa zaza manjeny,

toa tsy mba ankizy

Ny zanak’i neny, mahantra ts’izy

Ny zanak’i neny, mahantra ts’izy



Dia io ikala Jeannine, tsy misy n’inn inn,

An-dakozia ao

Jiafotsy no solon-damba ô, ny alina mangitsy

Tomany lasa vinany, matory amin’ny tany

Mangovitra be

I neny anie tsy mahalala fa kapok’adala,

No iainana aty

I neny mahantra, iafiana ny aty

I neny mahantra ô, iafiana ny aty



O o o o barampapam

Aia ai aia e

O o o o shalalala

Aia ai aia



O o o o barampapam Aia ai aia e

O o o o shalalala

Aia ai aia



Sôlafa anie ka sôlafa

Vely kofafa dia ampijaliana

Ankizy kelin’ny gasy nandao ny lakilasy

Sitrapony ve? Fahantrana re

O o o o, (o o o o)



Ikala Jeannine, (Ikala Jeannine), mahazo hoatrinona

Ikala Jeannine, malahelo ny any ambanivohitra any

Ikala Jeannine (Ikala Jeannine), tsy an’inn tsy an’inn

Ikala Jeannine, mahereza akia

Ikala Jeannine, (Ikala Jeannine), izao no fiainana aty

Ikala Jeannine, (Ikala Jeannine), mahantra indry

Ikala Jeannine, (Ikala Jeannine), mahantra akia

Ikala Jeannine, mahantra indry

Partager ikala jeannine

Commenter ikala jeannine

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite