4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao - Rakotobe Andrianabelina

IANAO



Ianao no hadalako, ianao no fahendreko

Ianao no fahalalako, ianao no fandreseko

Nefa lasana ianao, nitsaitsaika tsy ho reko

Angamba ianao nanantena

Fitia tsy azo jerena

Na toy ny tasy tsy ho voafafa

Tsy ho levon’olon-kafa



Ianao no fahalemeko, ianao no tanjako

Ianao no mametra sy manome ny lanjako

Nony lasana ianao niboridana ny kianjako

Angamba ianao nanantena

Fa ny ahy fitia tsy afaka hiena

Fitia latsa-paka

Hahafahanao hanjakazaka



Ianao no hasiko, ianao mosaviko

Ianao no laviko, ianao no ankatoaviko

Nony lasana ianao nanjombina ny ho aviko

Angamba ianao nanantena

Izaho ho tojo faharesena

Satria fo azo babo

Ianao ihany no afaka hitsabo



Ianao no harenako, ianao no fihafiko

Ianao no nofiko, ianao no fitsikiko

Na tsara ianao na ratsy efa nikipiko

Angamba ianao tsy hino

F’izaho efa nanadino

Toy ny very tadidy

Ny ratrako aza efa nihidy



Ny antsika fitia tsy hivitrana

Izaho koa efa sitrana

Vakivaky tsy hitohy

Izaho efa namoy



RAKOTOBE ANDRIANABELINA

Partager ianao

Commenter ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rakotobe Andrianabelina