4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao - Rolf

IANAO



Ianao irery no nofidiako
Raha tsisy anao aho dia ho very
Ianao no nahasitrana ny foko
Any an-kafa aho tsy hijery

Ny fitiavako anao mahery
Tsy hisy handresy na hamaky
Izaho anie tsy hoe manery
Tsy mampihorohoro, mampatahotra, tsy mitaky

Tsy irery intsony aho
Tsy malahelo intsony aho
Tsy very intsony aho
Tsy ho trotraka intsony aho

Satria ianao irery no nofidiako re rahavako

Efa ho avy izao ilay andro
Hiainako eo akaikinao
Ny hasambaranao no tanjoko
Ny tsikinao no herin’ny aiko

Aza matahotahotra
Izaho anie tsy hanary anao
Raha sendra misy rivodrivotra
Izaho handrakotra anao

Tsy ho irery intsony ianao
Tsy halahelo intsony ianao
Tsy ho very intsony ianao
Tsy ho trotraka intsony ianao

Satria ianao irery no nofidiako re rahavako



ROLF

Partager ianao

Commenter ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite