4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira I mody - Samoela

Leo ny mandainga ho anao hono izy, ilay mody atao hoe izao
Leo ny mamitaka ny havany izy, maratra ny ao anaty fony ao
Leo ny manoroka anao hono izy, ilay mody atao hoe tia
Manaintaina, mijaly, tomany, marary nefa dia tsy maintsy hafenina ery
Iny mariazy iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany
Rehefa iny aloha ny hazo fijaliany na tsara na ratsy iny, iny ihany rehefa iny
Iny alitara iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany
Ny dikany ilay hoe ho doria tsy maintsy miaritra ery rehefa misy mania
Leo mitaraina aminao hono izy ilay mody atao hoe niova fo
Leo ny fosan'ireo namany izy sady menatra no marary an-doha
Miandrandra mafy an'izany hono izy hoe iny ianao mba hiova tokoa
Fa ho ataony avokoa izay sitraponao raha izay no tianao

Partager i mody

Commenter i mody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite