4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira I lery - Lolo sy ny tariny

Hitanao vare ilay rangahy mandeha
Ny volo fotsy sasaka
Ny fijery lanak'i lery!

   Ny lamosiny nibata ny tontolo
   Nandritry ny taona,taona 50 i lery!

Tsy mba nazoto kanefa tsy nalaina
Ny miady mafy mifoha maraina (isanandro)2

   Io any izy izao valabalaka famindra
   Nefa ny heriny tato amiko nifindra lery

Faly any izy izy izao
Mahita anay lehibe
Afaka mijoro ataony rehareha lery

   Ny adin-tsainy tazominy ho azy
   Sarotsaromany ny vazivaziny (isanandro)2

Ankehitriny any izy efa lavitra anay
Izay ny foko vao malahelo marary ery

   Tsy mba nahatsiaro nijerijery azy
   Fony izy mbola nanodidina ahy tety

Ny saina tamin'izany mbola saina Zazakely
Ka tsy omby izany
Tsy omby velively (fa varina)2   

   Hitanao vare ilay rangahy mandeha?
   Ny volo fotsy sasaka ny fijery lanak'i lery!
   Ny lamosiny nibata ny tontolo
   Nandritra ny taona,taona 50 n'i Dada!

      

Partager i lery

Commenter i lery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite