4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiderako anao - Groupe sarobidy

Hiderako anao- Groupe sarobidy
Tompo ô,eto anatrehanao anio
No indro izaho ankehitriny ,hiverina aminao
F’efa trotraky ny hadalana, reraky ny fahotana
Raha sitrakao,aza lavina aho
Raiso re ry Ray be fitiavana
Fa anisan’ireo ondrinao nania ,hiverina ao am-balanao

Hifonako tokoa,ny hadisoana vitako
Sy ‘reo toetrako taloha, tsy mendrika natao
Omeo fo vaovao ity zanakao
Raha sitrakao,aza lavina aho fa mba omeo fiadanana
fa te ho anisan’ireo miaraminao
hitory ny asanao

Ref: fa hiderako anao ‘zay talenta kely ananako
Satria ny fitiavanao no nanafaka ahy tokoa
Ka ny andro sisa hiainako,hitoriko ny hatsaranao
Ary hamerenako ‘reo ondrinao nania
Hiverina aminao

Ankehitriny aho ry Ray,olom-baovao
Satria nodiovinao tamin’ny Ràn’ny zanakao
Isaorako anao,’zay mbola omenao ahy
‘reo fisedrana ho lalovako,ekeko noho ianao
Na hamaky ny aloky ny fahafantesana aza
Dia tsy atahotra aho

Satria ianao ry Ray no nilaza fa
“’zay manatona anao dia tsy ho lavinao “
Ka ifonako ‘zay vitako ,raiso aho
Mba ho eo an-tratranao

Ref: fa hiderako anao ‘zay talenta kely ananako
Satria ny fitiavanao no nanafaka ahy tokoa
Ka ny andro sisa hiainako,hitoriko ny hatsaranao
Ary hamerenako ‘reo ondrinao nania
Hiverina aminao


A/C :HASINA NIAINA

Partager hiderako anao

Commenter hiderako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Groupe sarobidy