4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Matoky anao - Groupe MIFI

Fiainam-baovao ny miraka Aminao Jesosy ô
Fahasambarana fiadananana, ny eo Anilanao
Tsy mba misy azo antenaina,
izao fiainana izao satria mandalo ihany Jesosy ô

Maminay ny hitoetra Anilanao
Fa Ianao no manda sy fiarovana ho anay
Matoky Anao izahay
Miandrandra Anao izahay
tsy misy tsara ambony,
mihoatra noho Ianao Jesosy ô

Teninao Jesosy ô no mofon'aina
Ho sakafon'ny fo sy fanahy
Mba tsy ho reraka
Ka izay rehetra mino, sy mandray Azy
Ho velona indray, Jesosy ô

Partager matoky anao

Commenter matoky anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Groupe MIFI