4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hisaraka - G'AS'TA

1-Fahafinaretana tsy misy hoatr’izany

  Dia ’tsika mianakavy

  Miaina eto ambonin’ny tany

  Misary adala tsy mieritreritra hoe:

  Indray andro any mbola hiala

  Fa dia mirevy amin’ny fo tokoa

  Excursion,pique-nique

  Mitsangatsangana hatrany Ambatofotsy

  Mifandrotsirotsy anaty fiara

  Dia mihirahira ’tsisy manaiky miala

  Faly dia tena faly

  Miadana ka tsy mahatsiaro mijaly

  Fa dia sondriana,variana fa misy ny vola

  Dia lasa ’zao miodina  

  Tsy hangina nefa tandremo fa

  Tsisy hijanona  eto ’tsika mandrakizay

  Na vazaha,na gasy,

  Na ny tena tsy tia ny zava-boaharin’Andriamanitra

’Tsika tsy maintsy ho tazana

  Hatramin’ny tena fara-kelin’aina

  Ny hangeza famaizan’izay nandoro

  Tsy maintsy mody @ farany

  Dia ’zao no làlany,Dia hajao ny anarany

  Mifankatiava raha samy mbola velon’aina

  Dia izao no sarany,izao no sarany



REFRAIN:Na dia tiana aza ny hiaraka

        Dia tsy maintsy misaraka (saraka)

        Eny mafy izany hoe hifandao

        Nefa tsy misy azo atao (tsisy azo atao)

        Hany heriko sisa mifandray tànana

        Mba ho mariky ny fifankatiavana

  ( Eh! Mifankatiava raha mbola samy velon’aina

    Izay fa any ambany rangolahy dia

    Ranomaso sisa no azo atao

    Veloma,Bye-bye fa tsy hita izay hiainana@’zany

    Fa ’zay fotsiny ny fanafodiny dia ny

    Mifankatiava ihany,

    Foiko ianao na hody vovoka

    Dia mba misaina....)



2-Tandindonin’ilay rahona mainty

  Nazava tao anatin’ny lohako f’hisaraka

  Tsy haiko na niova hatr@’ilay loko tanaty ny foko

  Fa ranomaso niraraka

  Eny,faniriana ny hiaraka roa fo

  Tonga ialy fotoana nadaboka na efa fantatra

  Tsy hay atao anatin’ny loha

  Tonga dia ianao ’ndray no lanaka

  Ka tsy izy akory no voa

  Sady izay no voasorany

  Raha tsy maintsy ho làlany

  Inoako ary aho fa tsy fantany

  T@’lay nitsapa an’azy t@’lay fotoana farany

  Satria efa nangatsiaka ny vatany

  Tsy nikoriana ny ràny

  Asa! ’zay kosa angamba no anjarany

  Za fotsiny no mamisavisa ny ho avy tety

  Ka aleoko mangina fa tsapa fa tena tsy zaka izany

  Handao ny tiana,nilaozan’ny tiana,

  Na fifaliana,na fahoriana

  Tsisy fandriny fa nizotra avokoa

  Ka anjaran’ny tsirairay mandinika sy mampitony ny fony

  Ka na hisara-toerana,aza malahelo na mitomany

  Fa tsy maintsy hihaona ’nareo ’ndray andro any

  Ny an’ny sasany aza nalevina nalentika any ambanin’ny tany

  Mbola mino izy fa hifankahita hono any an-danitra any



               ..........REFRAIN..........



3-Mba tsy hisian’ny nenina,tsy azo afenina

  Tsisy ahita na sanatria ’lay akaikinao lasa tampoka

  Vita tsy hita,Eo ianao mipitrapitra

  Nikombona ny vava

  Ranomaso sisa nijininika nanenika ny tava

  Satria hisaraka

  Eny na dia tianao aza ny hiaraka

  Dia veloma sisa no azo atao sy mba fantatra

  Ka misainà ihany

  Mifankatiava ihany raha mbola velon’aina  iah!!!!



              ..........REFRAIN..........








Partager hisaraka

Commenter hisaraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe G'AS'TA