4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy foiko ianao - Farakely & laza

Ianao foana, no mameno
Ny fiainako tontolo
Toa tsy misy ny fotoana
Tsy hanembonako anao
Na ny atoandro na ny hariva
Ndrindra moa fa ny alina
Feno anao ny fiainako

Embona tsy mety ho ritra
Tsy hanam-pahataperana
Mipololotra tsy hay tohaina
Tsy hay sakanana
Toa fitia tsy ho lefy hery
Tsy hangatsiaka velively
Ho doria tokoa, ho lamban'akoho

Tsy foiko ianao
Ianao irery hatramin'izao
Tsisy toa ano akia raha mbola fitia
Tokana ianao ho ahy, mandrakizay

Ny endrikao no mameno
Ny foko sy ny saiko
Toa tsy misy ny fotoana
Tsy ahatsiarovako anao
Na ny atoandro na ny hariva
Na matory na mandeha
Feno anao ny foko rehetra




Partager tsy foiko ianao

Commenter tsy foiko ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Farakely & laza