4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola - Dama

1-Misy adàla manan-tsaina

ao an-tsenan’i sabotsy ao

tena tsy azo ambakaina

na dia akamany aza ianao

firifiry no efa nandré

ny tantarany teto ANTSIRABE

MBOLA irery no ao an-tsena

raha vao alina  ny andro

izy no mpiambin’entana

isan’andro isan’andro

rehefa miakatra ny paoma

i MBOLA dia tsy maintsy eo foana ah !



2-Asa raha misy mahavita

ny fahaizan’i MBOLA

manao tsingolo-batita rehefa te hahazo vola

alainy @ lela ny vola ariary 4

lasa in1 i mbola( 4)*2

hitady vola ,tsary mety tola (2)

raha sendra mangingina

ny ao tsenan’ i sabotsy ao

dia i MBOLA no antsoina hiarahana  milalao

ka lasa  adàla daholo ny ao an-tsena manontolo.



3-Nahazo vady ary i MBOLA

vady tena tsara tarehy

hitany tao an-tsena t@ izy nandende

ka nahazo zazakely

lahy tahaka an-drainy

faly be i MBOLA (4)*2

tsy adàla tahaka azy ny zanany lahy (2)

betsaka ny olona hendry

ao @ tsenan ’sabotsy ao

betsaka koa ny olona adala ao antsenan’ i sabotsy ao dia mifangaroaro

dia manjary be sy ny maro



4-Gaga ny olona hendry mijery ny olona adàla

gaga koa ny ny olona adàla mijery ny olona adàla

dia mifampijerijery ao @ tsenan’ i sabotsy

indraindray ny  olona hendry mba manao hadàlana

indraindray koa ny ny olona adàla mbà manao fahendrena

tsy fantatra  intsony izay adàla sy  ny hendry ....

Partager mbola

Commenter mbola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dama