4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainan' antananarivo - Dama

1-Manimanina ny any aminay izaho e

manimanina te hody(2)

ny foko izay malahelo

tsy haiko ny hanaovana azy

izaho tsy manam-mbola a

andehanana hody(2)



2-Efa tonga efa ela be izaho e

teto ANTANANARIVO

mikaràma ela be izaho e

teto ANTANANARIVO

nefa dia hatramin’izao

tsy nahangona vola firy

ny frais mbola tadiavina e

ka aleoko mijanona  a(2)



3-Mahatsiaro ny any aminay aho ry nama

ka te hody a(2)

fiainan’ANTANANARIVO iaraha-mahalàla

fa tsy mahatamàna

fiainan’ANTANANARIVO iaraha-mahalàla fa tsy te hahalàla

mitsakaraka vola isan’andro ka mandreraka a...

samy maka ho azy daholo tsisy hiainana...

ô RY AKAMAKO A

omeo korazy aho fa mitady ho reraka (2)

ô RY AKAMAKO A

omeo korazy aho

mba entiko hiady a

o RY AKAMAKO A

aza avela irery aho

ndao mbà hiaraka a

ô RY AKAMAKO A

aza avela irery aho

tsara raha miaraka a



4- and. 1-

Partager fiainan' antananarivo

Commenter fiainan' antananarivo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dama