4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza manadino anay ê - Dama

1-Aza manadino anay e

nareo izay any ambony any

asa raha misy mandray e

izany vavakay izany

mitodiha vetivety

mbà henoy ny vavakay

ny eny ambony eny efa mety

ny ety ambany mbà androtsahy.



2- Ianareo no nirariana

mba hanavotra ny tany

mangeja mafy ny fahoriana

tsy resinay ety ambany

ny antsonay misesisesy

midina ampio izahay e

ianareo mety handresy

raha tena eo anilanay

isika mety handresy

raha efa niaraka hatrizay



3- Mikapoka mahamay

ny fiainana izay manery

ny valim-bavaka azonay

dia ny hoe mahareta fery

aza manadino anay e

ianareo izay any ambony any

aza mbà manary anay e

raha mbola samy eto an-tany

aza mbà manary anay e

raha mbola samy olombelona ihany.

Partager aza manadino anay ê

Commenter aza manadino anay ê

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dama