4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada - Hantatiana

Dada ô ho anao ity hirako ity

Voaraiko ireo kilalao tsara ireo

Nefa ho feno mihitsy ny hafaliako ety

Raha toa ka ianao no eo anilako eo



Neny tsy nanolo dada vaovao

Na dia nangina aza nilaozanao

Avy miasa izy na dia reraka

Tsy maintsy misangy izahay mianaka



Diboky ny hafaliana izahay

Hira no mandany ny andronay

Tampoka eo anefa

Miara-maloka mahatsiaro an’i dada

Tafasaraka



Tany an-tsekoly indray fetin’ny ray

Niara-nanomana tsara izahay

Zavatra ho omena ho an’ireo ray

F’izaho sy i Neny dia nangaihay



Niova ny fiainanay hatramin’izay

Vavaka no nampianariny ahy

Endrika sariaka tsy toy ny taloha

No hita amin’i neny

Neny tiako



Isan-kariva hatory izahay

Vavaka iray no fanaonay

Izay mampanantena fa any andro iray

Hifaly izahay , hody i dadanay

Partager dada

Commenter dada

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hantatiana

Suite