4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Harmonia - Bessa sy Lola

Izay feonkira izay, feonkirantsika
Moa tsaroanao ve, zay ilay mozika
Natao fidirana, taoriani litorjia,
Ianao nitendry ilay harmonia,
Izay feonkira izay, tsaroako tsara
Zahay sy neny koa, niditra tara
Tery aloha tery, vao nisy toerana
Fa voka-dehibe tamin’izay
Andro paka moa io andro io
Hiboka avokoa, ny dabilio
Vao niditra izahay,
Dia hitako ianao
Nitendry ilay harmonia
Nitodika ianao, niijery ahy
Toa te hitsiky angaha, nefa tsy sahy
Izaho sadaikatra, namindra saikatra
Naiky tsy afa-nandeha, raikitra
Nahondrika ny loha fa menatra mafy
Nefa ho aiza moa, voatery miafy

Tsy de fantatro zay lohateny
Ny hany tsaroako, di any feony
Fa ho ahy mantsy izy izay
Lay feona harmonia,
Feonkira milaza fitia
Ooo o o
Fa ho ahy mantsy izy izay
Lay feona harmonia,
Feonkira milaza fitia

Partager harmonia

Commenter harmonia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy Lola

Suite