4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sefo - B-lôh

miainga harivariva

efa ho maraina

hiodina ny bandy

hamelombelon’aina

indra-avenue hatrany berlin

hirevirevy jusqu’au petit matin

dé nanalanala

razoky rastà

nihomezany fotsiny

hay izy kay prà

nanatona avy hatrany izy

sady nanontany

"aiza ny karatra ?"

" zahay tsisy karatra "

’zao dé zao lisany dé mankany @ b-c

tsy hita zay natao dé hoy ny bandy we:



                            MIFONA SEFO A (x4)

                            aleo zahay hody fa

                            tsy hamerina intsony

                            mba marina é

                            mba ren’ny any ambony



afaka teo

tany @ tanàna

niandry tamboho

samy nihanahana

raha nandalo lé sipa

tena nilay

dé hoy ny bandy hoe

"kay zany tranon-tay!!"

ô ry jobà

tsy aleonao ve aterinay ?

-manaraha ahy tenisany

raha te ho fay

lasa ny bandy

tsy nahalala niverina

kay lé joba

mipetraka ao @ caserne

dé niditra izy

sady ôtran’ nitsôka

kourazy ny bandy

hay nisy razoky nivôka

"aôna ny zanako

no arahina @ alina ?

tsy hain’lisany ngah

fa zà ange 3 étoiles ?"



                           MIFONA SEFO A (x4)

                           niteny ihany izy

                           fa ôtran’ nirediredy

                           sady aleo zahay hody

                           fa sô dé bedy



nanomboka teo

dé nody aloha daholo

maraindraina

alohan’ny @ 10

niezaka

ho tena bandy milay

ny natao mantsy

tena efa nahafay

izay no faniriana

kanefa tsy nety

fa tsy mahita tory

raha vao misy fety

dé lasa mihodina

no sady mamo be

zay rehetra atao

tsy maintsy miafara @ we :



                           MIFONA SEFO A (x4)

                           efa atao

                           zay tsy hifankahitana

                           zay no maha-tanora

                           be hadalàna



____________________________________________________________


Partager sefo

Commenter sefo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe B-lôh