4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsarovinao - Antoko mpihira "Antsan'ny Lanitra"

Tsarovinao ô ry velona eto an-tany

Fa ny fiainanao anie fandalovana ihany

Atsaharo izao ny adalana izay fanao

F’any amparany any hanenenanao



Atoroy anay ny aleha Andriamanitra ô!

Fa ianao no Ray mpitarika anay

Aza avelanao ho resin’ireo

’reo fahavalo mpanejika anay



Mihonona ihany raha sendra fijaliana

Fa tsy misy izay tsy ho resy ka alaviro ny Hakiviana

Ao ambony ao Andriamanitra mijery

Izy no miahy ireo Ondry very


Partager tsarovinao

Commenter tsarovinao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antoko mpihira "Antsan'ny Lanitra"