4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ho ahy - Anthony

(1) Na dia tsy ho ahy mintsy aza ianao
Dia mbola tiako ho fantatrao
Misy fitia ao anatiko ao
Hatokako mangina ho anao


Hatrany am-piandohana no fantatro
Fa tsy ho tafara-dalana
Fitiavanao tsy ho takatro
Fa toa afindrafindranao

REF: Ranomasoko nilatsaka noho ianao
Ny alahelo mitambesatra satria lasa ianao
Na rahoviana tsy ho voakosoka ao an-doha
Ireo fihetsikao,reo toetranao mambabo fo


(2) Raha izay fiarahantsika hatr'izay
Tsy hanadinoako sanatria
Na tsy ho tanteraka aza ireo faniriana
Ny fisianao dia ampy hifaliana


Na dia tsy ho ahy mihintsy aza ianao
Dia mbola tiako ho fantatrao
Misy fitia ao anatiko ao
Natokako mangina ho anao

Partager tsy ho ahy

Commenter tsy ho ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anthony