4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maraina vao - AmbondronA

Mafana ny loha
Toa faharariana
Alahelo koa, mameno ny fo
tsy hita ho afindra...
Tsaroana avokoa
ireo fanahiana
nahalasa ambiroa, nankarary koa
toa fijaliana

Adin-tsaina hatrany mila hitomany
manantena fa indray andro any...
ilay ampitso hifoha hiorenan tsoa
ho tantara sisa izany

ref: Maraina vaovao no hihiratra indray
feno hafanana hiposaka ho ahy
haneho ny soa
ho feno tsiky ihany ny foko kely nitalaho

Miandradra tokoa e
tsisy hakiviana
hatraka ny loha, be ambom po
toa tsara rindra

Adin-tsaina hatrany no mampitomany
manantena fa indray andro any...
ilay ampitso hifoha hiorenan tsoa
ho tantara sisa izany

ref: ...
... fa maraina vao no mihiratra indray
ilay hazavana, hamalifaly ahy
ho ravo tokoa
feno tsiky toa ankizy kely milalao
Maraina vao...

Tsy misy hafa tsy ianao ihany no hitady anie
sy hijery izay mety ho anao
fa ny anjaranao re...
tsarovy fa omeNy eo ihany


Tsy ho very anjara akory ianao mitsangana mitrakà
ny ampitso hifoha anie no hitrondra indray ny hafanana
Fa matokisa hatrany ka mijoroa fa efa voasoratra Any
Maraina vao no ho avy hitsena anao aza manahy

Partager maraina vao

Commenter maraina vao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AmbondronA

Suite