4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hamela irery - Adeline

Nahoana no milofika ianao

tomany sy ontsa lava izao

angamba olon’tiana no nandao

mamirifiry ny ratra anatinao



tsy zaka ny fahorianao

maizina ny manodidina anao

zay jerena toa maneso avokoa

ny tontolo mirodana koa



REf:Fantaro fa Andriamanitra

    dia manana làlana,sy drafitra tsara

    nomaniny ho anao

    ka na dia mafy aza ny fitrangan’izany

    azo antoka ny fitondrany



Mitrakà ianao andradrao ny masonao

antsoy Jesosy fa hamaly anao

Antsoy aho hoy izy amin’ny andro fahoriana

Dia hamonjy anao aho hamonjy anao



Hatanjao ny sainao dia matokia

ekeo ny fitondran’ny Tompo anao

Ary ireo fery sy ratram’po

Andriamanitra tsy hamela irery anao



REf:Fantaro fa Andriamanitra

    dia manana làlana sy drafitra tsara

    nomaniny ho anao.ka na dia mafy aza

    ny fitrangan’izany

    Andriamanitra tsy hamela irery anao.

Partager tsy hamela irery

Commenter tsy hamela irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Adeline